Manodidina ny fizahan-tsolitany eto Madagasikara*

 

Nahorako dia nahorako tato ato ny fanambarana an-gazety avy amin'ny orinasa Madagascar Oil (MO) hoe nahasintona solitany mavesatra mitentina 45 barika (barika 1 na b = 159 litatra) avy amin'ny lavaka  iray ao Tsimiroro (P-1-4) izy. Tokony ho 92 km atsimon'i Morafenobe izay 471 km andrefan'Antananarivo no misy an'i Tsimiroro ary efa hatramin'ny taona 1909 no niresahana an'io solitany mavesatra io. Maro ny kaompania efa niasa tao na Angilisy na Amerikanina na Frantsay. Ary avy amin'ny asan'ireo kaompania ireo no nipoiran'ny vinavina momba ny habetsahan'ny solitany "mavesatra" amin'io faritra io izay mahatratra 400 km² eo ho eo ny fivelarany. Antitranterina tsara fa solitany "mavesatra"  izy io, izany hoe, solitany faran'izay madonda sy matevina ary madity ka saro-pikoriana, sokirina anatin'ny vato mamasipasika ("grès" na "sandstone"). Midika izany fa mbola misy dingana maromaro handaniam-bola be dia be no  tsy maintsy handalovana mba hanatsarana sy hanadiovana azy, alohan' ny fahazoana mampiasa azy tsy misy fatiantoka.

 

Matetika dia manodidina na mihoatra ny roa arivo tapitrisa barika (2 000 000 000 b) no vinavinan' ny habetsahan'ny solitany mavesatra mety ho hita ao Tsimiroro. Kanefa, mandrak'ankehitriny dia mbola tsy voamarina mihitsy io tarehi-marika io !  Amin'ny tetik'asa goavana toy itony fizahana solitany itony, na fikarohana harena an-kibon'ny tany, anefa, dia ny FANAMARINANA ny habetsahan'izay hita no tsy maintsy atao ventin-draharaha voalohany, alohan'ny hikarohana sy hitsapana izay fomba mahomby indrindra hitrandrahana azy. Miankina amin' io fanamarinana io no ahazoana manao ny kajy rehetra eo amin'ny lafiny teknika sy ekônômika izay ahafantarana raha hahitana tombon-tsoa na tsia ny fitrandrahana azy. Ary raha tsy misy izany fanamarinana izany tsy hisy mihitsy ny mpanam-bola hiditra hamatsy vola ny tetik'asa!

 

Mahavariana anefa ny fomba fiasan'ny MO nandritra ny efa-taona lasa, satria mifanohitra amin'izany no nataony: Tsy ny fanamarinana ny tena fisiany sy ny habetsahan'ny solitany mavesatra ao Tsimiroro no nataony fa avy hatrany dia fanandramana ny fomba mahomby indrindra hamoahana io solitany mavesatra io avy ao anatin'ny vato mamasipasika itobiany any ambanin'ny tany. Ilaina antitranterina eto fa tsy misy afa-tsy ny fandavahana lavaka maromaro ihany no ahazoana manao izany fanamarinana izany. Kanefa, araky ny vinavinan'asa natolotry ny kaompania frantsay ELF ny OMNIS tamin'ny taona 1980  dia manodidina ny ZATO ny isan'ny fandavahana tokony hatao ao Tsimiroro mba hanamarinana ny habetsahan'ny solitany mavesatra mitoby ao, ary nitentina 68 000 000 dolara amerikanina ($) tamin'izany fotoana izany (mihoatra ny $ 172 000 000 ankehitriny) miaraka amin'ny fananganana ozinina fanandramana ny fandoarana ny solitany mavesatra, no vola saika ho laniny tamin'izany, ary dimy taona no fetra hanaovany ireo asa ireo. Ankoatr' izany, araky ny tarehi-marika nomen'ny Banky Mondialy tamin'ny 1980, raha  45 000 b-na solitany mavesatra isan-andro no kendrena havoaka ao Tsimiroro, dia mitentina $2 000 000 000 (roa arivo tapitrisa) eo ho eo no ilaina , izany hoe mihoatra ny $ 5 000 000 000 (dimy arivo tapitrisa) ankehitriny.

 

Tsy voafaritra mazava ohatra an'izany anefa ny tetik'asan'ny MO, na ny asa kasainy hataony, na ny fetra hanaovany azy, na ny vola ho laniny.

Indraindray milaza izy fa $170 000 000, indraindray $ 200 000 000 no vola eo am-pelatanany ka $100 000 000 no efa laniny, ary $50 000 000 tamin'io no nividianany fitaovana (fitaovana fandavahana, milina manome enton-drano 4 hanempohana ny solitany mavesatra, sinibe 4 hitahirizana 60 000 b-na solitany mavesatra, sns.) sy nanamboarana lalana sy tetezana. Araky ny hita ao amin'ny tranokalany (http://www.madagascaroil.com) dia $85 000 000 no totalin'ny vola voangony tamin'ny taona 2006 nandoavany trosa sy nentiny hiasa eto Madagasikara. Nanaiky hampisambotra azy $85 000 000  fanampiny koa ny banky tamin'ny taona 2007 mba ahazoany manohy ny asany rehetra eto Madagasikara. Arak'izany dia mbola lavitra dia lavitry ny vola ilaina na amin'ny Tsimiroro fotsiny aza ny enti-manana eo am-pelatanan'ny MO.

 

Manarak' izany, tamin'ny volana Novambra 2006, dia nanambara ny mpiandraikitra ambony iray tao amin'ny Madagascar Oil fa hanomboka amin'ny taona 2007 ny famongarany solitany mavesatra ao Tsimiroro ary  amin'ny faramparan'ny taona 2008 na amin'ny voalohandohan'ny taona 2009 dia 25000 (dimy arivo sy roa alina) barika  isan-andro no ho tafavoakany. Hiakatra ho 100000b (iray hetsy) isan-andro io vokatra io amin'ny 2011 ary hahatratra 500 000 b (dimy hetsy) isan-andro amin'ny fotoana mbola lavitra any aoriana.

Herin-taona taty aorina fotsiny anefa dia nihemotra sy niova ny prôgramany : amin'ny 2010-2015 indray vao hamokatra ka ho 9000 b isan-andro sisa no havoakany, ary amin'ny taona 2016 vao hiakatra ho 11 000b isan-andro.

 

Torak'izany koa, toa fampanantenana poak'aty ilay hoe: hamoaka 1000b isan-andro izy avy amina lavaka 10 izay handoarany 100b tsirairay avy. Ankehitriny manko dia fantatra fa hay lavaka roa ihany no voalaza fa ataony: ny voalohany moa no namoahany ity 45b isan-andro ity ary ny faharoa kosa izay hoe hanaovany fanandramana ato ho ato ka hitsapany ny hamoahana ilay 100b isan-andro. Mazava tsara ny tatitra an-gazety fa miankina amin'ny fahombiazan'ity fandavahana faharoa ity ny hanohizany na tsia ny lavaka folo voalaza etsy aloha!

Raha mihevitra ny hamoaka 9000 na 11000 b isan-andro ny MO dia ho manodidina ny zato ny lavaka tsy maintsy hataony. Kanefa manoloana ny fivadibadian'ny MO hatramin'izay sy ny vola be takin'izany araky ny voalaza etsy aloha  dia maha kely finona mihitsy ny hahavitany an'izany.

 

Ny mahavaky vava dia 58455 km², izany hoe 35 isan-jato latsaka kely ny faritra an-tanety (on shore) mety hahitana solitany eto Madagasikara (170000 km²), no nahazoan'ny MO lalana avy amin'ny OMNIS hikaroka solitany mandritra ny valo taona sy hihady azy mandritra ny 25 taona raha tany ka voamarina fa tena misimisy ny azo loharana. Ireto avy ireo vongan-tany ireo:

 

3104: Tsimiroro: 6670km2

3102: Bemolanga: 7175km2

2103: Majunga S: 15910 km2

3105: Manambolo: 5325 km2

3106: Morondava: 9100 km2

3107: Manandaza: 8775 km2

3109: Mandabe: 11000 km2 (sasahany amin'ny kaompania Tullow Oil)

 

Kanefa sady zaza vao amin'ny fizahana solitany ny MO - vao tamin'ny 2004 no niforona- no tsy mahavita tena ara-bola ka afaka hisahana ara-dalàna ny asa goavana tokony ho tontosaina amin'ireo vongantany ireo. Etsy an-daniny anefa dia kaompania FOLO no mizara ny ambin'ireo faritra an-tanety mety hahitana solitany ireo !

 

Mbola mahatalanjona ihany koa izao zavatra izao: Tamin'ny Novambra 2005, na dia mbola tsy hita loatra aza izay tena asa vitan'ny MO dia notombanany sahady ho $400 000 000 na $500 000 000 eo ho eo ny lanjam-bidin'ireo vongan-tany lasany ireo araky ny tatitra nataon-dRatoa Aries Poon mpanao gazety sinoa any Hong-Kong momba ny resadresaka nifanaovany tamina tompon'andraikitra ambony iray tao amin'ny MO.

Ary tamin'ny Jona 2006 dia notapahin'ny kaompania sinoa vaventy anankiroa-China National Petroleum Corporation (CNPC) sy Sinopec- ny resaka nataony nandritra ny herin-taona tamin'ny MO ny amin'ny mety hiarahan'ny roa tonta miasa ao Bemolanga sy Tsimiroro- satria notombanan'ny MO ho $600 000 000 ny lanjambidin'ny vongan-tany enina an'azy manokana. Arak'izany dia toa ohatra ny fanelanelanana fotsiny -izay tsy misy tokony hilan'ny OMNIS azy- no tena anton-draharahan'ny MO ary voasakana fotsiny, tsy afa-manao fizahana sy fanabeazam-boho amin'ireo vongan-tany  voagian'ny MO ireo izay kaompania lehibe sy manam-bola manam-pikasana amin'izany, raha tsy mandoa vola be aminy! Fatiantoka bevava ho an'ny firenena Malagasy izany.

 

Tsara ho tsahivina koa fa tao amin'ny vongantany Manambolo (laha.3105) no nahitan'ny OMNIS angona enton-tsolitany (gaza) voalohany teto Madagasikara tamin'ny Novambra 1987. Araky ny fifanarahan'ny OMNIS sy ny AMOCO izay tompon'ny fahazoan-dalana tao Manambolo Andrefana tamin'izany dia tsy maintsy oneran'ny AMOCO  folo heny ny vola lanin'ny OMNIS nahitana azy raha hiara-hiasa ny roa tonta amin'ny fanabeazam-boho azy. Manana eritreritra ny ampiasa maimaim-poana io enton-tsolitany io anefa ny MO amin'ny fanempoana ny solika mavesatra atsy Tsimiroro satria efa nomena azy koa ity Manambolo Andrefana ity. Kanefa azo atao tsara, hoy ny fikarohana nataon'ny OMNIS tamin'ny 1988, ny mamoaka elektrisite hatramin'ny 17 Megawatt (ohatra ny lanin' ny tananan'i Mahajanga ankehitriny izany)  mandritra ny 85 taona avy amin'io enton-tsolitany io. Nahoana no tsy nandalina izany ny OMNIS sy ny JIRAMA fa tonga dia nafoy ho an' ny MO i Manambolo Andrefana ?

 

Manoloana ny tarehin-javatra toy izao dia tokony hataon' ny Solombavam-bahoaka sy ny Loholona ary ny Mpanolotsainam-paritra ara-maso akaiky dia akaiky ny fifanekena isan-karazany ataon'ny Governemanta sy ny OMNIS amin'ny orinasa vahiny mikasika ny fitrandrahana ny solitany sy ny harena an-kibon'ny tany amin'ny ankapobeny. Manankarena hoe Madagasikara, mivelatra izaitsizy ny vahiny rehetra mihaza harena eto Madagasikara, kanefa miha-fadiranovana andro aman'alina ny sarambaben'ny Malagasy, izay lasa tompony mangataka atiny.

 

Ri-Ma

 

*Niseho tamin'ny Telonohorefy Laharana faha 2095 tamin'ny Talata 1 Aprily 2008

Izao no loha hevitra amin'ny pejy voalohany:

"Fitrandrahana Solika ao Tsimiroro"

Ny Tsikombakomba Maloton'ny 'Madagascar Oil" sy ny Mpitondra

 

Fanazavana manokana:

-Tsy mety ny nanovana ny teny "solitany" ho "solika", araky ny fahazaran'ny mpanoratra an-gazety ankehitriny. Ny solika dia menaka avy amin'ny tongotr'omby; na "menaka" fotsiny any anindran-tany

Ny solitany (solika tany) dia “ilo avy any anaty tany, izay manan-toetra manokana mety mirehitra, ka ampiasaina anaovana jiro, fa indrindra akana lasantsy” (petroleum); Rakibolana Malagasy, Rajemison-Raolison Régis

- Nahitsy ho 170000 km² ny tarehi-marika mikasika ny haben’ ny faritra an-tanety (on shore) mety hahitana solitany eto Madagasikara